Online Library TheLib.net » Madagasikara: Ho aiza marina? Topy maso sy Dindon'ny 50 taona nahaleovantena
cover of the book Madagasikara: Ho aiza marina? Topy maso sy Dindon'ny 50 taona nahaleovantena

Ebook: Madagasikara: Ho aiza marina? Topy maso sy Dindon'ny 50 taona nahaleovantena

00
13.02.2024
0
0
Daraina, Masoarivo, Mandabe Botany, Benato, Lavaraty, Masomeloka, Kiranomena, Sandrakatsy, Antsakabary... Tanàna malagasy avokoa izany ! Santionany fotsiny ireo fa an’ arivony maro no sahala amin'ireo manerana an’i Madagasikara.

Tanàna tsy mba fantatry ny fandrosoana sy ny fampandrosoana... Kanefa tsy handroso izany i Madagasikara, raha tsy mahazo ny anjara masoandrogy ny mponina amin' ireny !

50 taona no nahaleovantena ! Nitondra inona ho ah’ny Malagasy monina any amin’ireny tanàna ireny izany ?

Samy manana ny hanitra ho azy ireny tanàna ireny, fa ny itambarany dia ny fahantrana, ny tsy fandriampahalemana, ny fitazanana ny mponina eo ambany vahohon' ny tsy fahalalàna, ny tsy fahampiana na ny tsyff fisian'ny zavatra mety mba hanatsarana ny fiainana, ny tsy fahalalàna fa mba mety ho tsara lavitra noho izao ny fiainana...

Saingy... Manao ny ataony ny mpanao politika, ny mpanao fanjakana, ny dahalo an-tsaha sy ambony latabatra, ny mpanararaotra isan-karazany... Tsy lazaina intsony ao anatin'izany ny kolikoly.

Mba mamokatra ihany anefa, mba miady mafy amin' ny fiainana, fa... tsy hita be ihany ! Ny ain'olombelona sy ny fananany aza tsy voaaro araka ny tokony ho izy ! Maika moa fa izay zon'olombelona any!

Natao mba hampieritreritra ny taranaka malagasy ity boky ity !
Download the book Madagasikara: Ho aiza marina? Topy maso sy Dindon'ny 50 taona nahaleovantena for free or read online
Read Download
Continue reading on any device:
QR code
Last viewed books
Related books
Comments (0)
reload, if the code cannot be seen